Actualités

Maevatanana, Antsirabe, Manakara Efa naloa ny karaman’ireo mpanisa mpifidy


  • Talata 15 Novambra 2022

Efa mandeha ny fizarana ny karaman’ireo mpanisa mpifidy na “agent recenseur” manerana an’I Madagasikara, hoy ny DAF an’ny CENI, Jean Nomeny Victor.

Maro amin’izy ireo no efa nisitraka izany eo anivon’ny faritra, hoy ny fanazavana. Efa any amin’ny biraon’ny tahirim-bola na “trésor” isaky ny distrika na koa any amin’ny “perception principale” ny vola natokan’ny CENI handoavana izany. Voafetran’ny fanapahana hoe 300 Ariary isaky ny olona voaisa ny fandehan’ny karama. Natao ADC na “avis de délégation de crédit” kosa ny taratasim-bola nalefan’ny tahirim-bola. Anjaran’ny tomponandraikitry ny CENI isaky ny distrika no manatona ny tahirim-bola hoe inona no atao ahafahana mamoaka io taratasim-bola io? Amin’ny ankapobeny dia efa betsaka ny distrika nandoa ny karaman’ny mpanisa mpifidy. Isany ny ao Maevatanana, Antsirabe, Manakara fa ny sisa kosa mbola an-dalana ny fikarakarana taratasy. Mandritry ny 3 volana no hanatontosan’ireo mpanisa ny asany. Tsy mitovy fa arakaraky ny asa vitany ny vola raisin’ireo mpanisa mpifidy. Izay no nifanarahana ka ny ho raisiny izao izany dia ny vokatry ny asany nandritry ny volana oktobra. Rehefa avy miasa izy dia anjaran’ny rantsa-mangaikan’ny CENI miaraka amin’ny sefo SID any an-toerana no manisa izany dia iny no hamoaham-bola any amin’ny tahirim-bola. Hatramin’ny karama desambra efa ao ary eo am-pikarakarana ny fandoavana ny volan’ireo mpanisa mpifidy eto Antananarivo voalohany hatramin’ny fahaenina koa ny CENI. Misy anefa ny antotan-taratasy tsy maintsy fenoin’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI ahazoana misitraka izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamarihana natao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT