Lehilahy iray, 53 taona nanolana zazavavy kely miisa 04 tao anatin'ny iray volana
sy tapany tany Madiotsifafana Ambatondrazaka, raha araka ny loharanom-baovao voaray. Zaza 3 taona, 6 taona, 9 taona ary 10 taona ireo lasibatra ireo. Raha araka ny fantatra dia Nitaraina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny ray aman-drenin’izy ireo ka nanao famotorana ny zandary. Hitan'ny mpitsabo ihany koa fa efa simba avokoa ireto ankizivavikely miisa 4 ireto. Niakatra fampanoavana tamin’ny 21 desambra lasa teo ity ilay lehilahy ity ary nampidirina ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka avy hatrany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.