Efa hatramin’ny taon-dasa no niato tsy afaka nanohy ara-dalàna ny asa fitrandrahana ireo solika ao amin’ny faritra Melaky intsony ny orinasa Madaoil vokatry ny fahatsentsenan’ny fantsona mitondra ny solika miakatra ety an-tanety;
fitrandrahana solika any ambany ranomasina moa no resaka eto. Sahirana ary voatery miato manaraka izay koa ireo mpiasan’ny fanamboaran-dalana ataon’io orinasa io ao an-toerana. Ireo fantsona ao Tsimiroro no tena tsy afaka mampiakatra ny solika mihitsy, raha ny fanazavana azo. Tombontsoa maro anefa no azon’ny faritra rehefa miasa ara-dalàna ity orinasa mpitrandraka solika ity satria dia mamorona asa sy afaka mampandroso ny faritra Melaky izy io. Ezaka lehibe saika ataon’ny orinasa Madaoil ny fanamboaran-dalana ao Maintirano sy ny manodidina fa noho io olana io dia nijanona ny tetikasa. Ankoatra izay dia olana koa ny tsy fisian’ny orinasa hafa maka ny akora. Orinasa iray avy any Amerika no saika hikasa haka ny solika mavesatra avy amin’ny Madagascar oil saingy tsy mbola mazava tsara ny fifampiraharahana teo amin’ny aminy sy ny fitondrana Malagasy. Miezaka anefa ny mpitantana sy ny lehiben’ny faritra Melaky handresy lahatra ny fitondrana mba ahafahan’ity orinasa ity mivarotra ny vokatra avy eto Madagasikara. Tsy misy asa mihodina ny ao amin’ny faritra Melaky ary mihena koa ny sehatry ny toekarena vokatry ny faharatsian-dalana. Ny orinasa Madagascar oil dia efa nanamafy fa vonona ny hitondra fampandrosoana maharitra ao Melaky rehefa miverina amin’ny laoniny ny fitrandrahana ataony.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.