Misokatra ho an’ireo orinasa Malagasy sy ny avy atsy amin’ny nosy La Réunion ny fandaharanasa «InterReg» vatsian’ireo mpamatsy vola iraisampirenena. Mitentina 63 tapitrisa euros ity famatsiam-bola andiany faha-3 mandritra ny 36 volana hatramin’ny taona 2020 ity.
Afaka misitraka ny tohana ara-bola avy amin’izy io avokoa ireo tetikasa Malagasy sy reunioney nahazo fankatoavana avy amin’ny rafitra mpanapa-kevitra ao La Réunion, araka ny fanazavana avy amin’ny «Club Export Réunion». Tombony ho an’ny firenena Malagasy hatreto ny tsena midadasika amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Sadc na koa ny Comesa raha talentan’ny orinasa sy indostria ao La Réunion, hoy kosa ny filohan’ny «Groupement des Entreprises de Madagascar» Rakotoarijaona Noro. Antony nahatonga ny roa tonta hifanome tanana sy hiara-kiombon’antoka amin’ny fitrandrahana ireo tsena eto anivon’ny faritra Afrika sy ny manodidina taorian’ny fahombiazan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Tanjon’ny fihaonana faha-3 eo amin’ireto nosy roa ato anatin’ny Ranomasimbe Indianina mandritra ny herinandro eto Antananarivo ireto rahateo moa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandraharaha manodidina ny lohahevitra «ny fampandrosoana maharitra sy ny famatsiam-bola ireo tetikasa».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.