Actualités

Madagasikara Resin’ny nosy Seychelles lavitra be


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Ireo zava-misy ratsy eto Madagasikara no notanisain’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana Ban Ki-Moon nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely omaly.

Anisan’izany ny hoe : «mampiasa saina ny fahantrana eto Madagasikara. Tena ambany ny harinkarena ara-toekarena. Ambony be ny tahan’ny tsy fananana asa. Sarotra ny fisitrahana rano. Zaza 3 amin’ny 10 no mba mahatojo ny fanabeazana fototra ary Malagasy iray amin’ny 3 no mahay mamaky teny». Fankasitrahana sy fankaherezana kosa no natolony firenena sy vahoaka seiseloa tamin’ny lahateny nataony tao amin’ny Antenimieram-pirenen’ity nosy kely ato anatin’ny Ranomasimbe Indianina ity ny 8 mey 2016 lasa teo. «Misongadina ny tena demokrasia eto Seychelles», araka ny nambarany tamin’io fotoana io. Notsongaina manokana tamin’izany ny fanapahan-kevitr’ireo depiote nametra ho 5 taona in-droa ny fahafahan’ny filohan’ny Repoblika mirotsaka hofidiana ao aminy. Talanjona amin’ny isan’ireo vehivavy olom-boafidy ao anatin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna seiseloa ity izay mitana ny laharana faha-5 manerantany ihany koa,  ny lehibe mpitantana ny ONU. Maniry ny hitomboan’ny isan’ny andriambavilanitra solombavambahoaka mandritra ny fifidianana hotanterahana any an-toerana afaka roa volana moa ny sekretera jeneraly faha-8-n’ny Firenena mikambana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT