Actualités

Madagasikara Olona 8.300 isan-taona no matin’ny sigara


  • Talata 20 Desambra 2022

Tena mamono olona maro isan-taona ny fandraisana sy ny fifohana sigara sy paraky maneran-tany. Ho antsika eto

Madagasikara dia mahatratra 8.300 isa isan-taona izany ka ny 300 amin’ireo dia ilay mievoka ny fofon-tsigara haparitaky ny sasany ao an-tokantrano na any anaty fiarakodia….avokoa. Nisy araka izany omaly ny hetsika nokarakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONG Sahy teny Antanimena. Ankoatra ny fampahafantarana ny olona ny voka-dratsin’ny fifohana sigara toy ny aretin’ny avokavoka izay mety hihafara amin’ny homamiadana mihitsy ary mahafaty haingana dia nisy ihany koa ny fampahafantarana ny rehetra ireo karazana tarehimarika nangonin’ny OMG Sahy. Nambaran-dRamamonjisoa Haja ohatra fa raha mifoka sigara ny olona iray dia ny 25% ny setroka aparitany ihany no miditra any anatiny fa ny 75% dia ny fiarahamonina avokoa no mizaka ny voka-dratsiny. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia vahoaka tanora ny vahoaka Malagasy. Mihoatra ny 18 taona avokoa ny ankamaroan’ny mponina tamin’ny taona 2018 nefa ireo no tena mandray sy mifoka sigara. Nomarihiny manokana moa fa vokatry ny tsy fahampian’ny fialamboly, ny tsy fisian’ny asa na zavatra hatao sy hiandraiketana…no antony tena mahavoasarika ireo tanora eto amintsika hifoka sigara ka mian-dahy miam-bavy mihitsy izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT