Actualités

Madagasikara Mivaona be ny fampiasana ny “Facebook”


  • Zoma 08 Janoary 2021

Azo antoka fa manara-maso tanteraka ny fanehoan-kevitra samihafa amin’ny

 

 

tambajotran-tserasera ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na ny “Service de lutte contre la Cybercriminalité”. Maro ny fanehoan-kevitra mivaona tanteraka, hoenti-manaratsy olona ara-politika any amin’ny tambajotran-tserasera, fanononana anaran’olona, fanasoketana ankitsirano,… saingy toa tazanim-potsiny. Hita taratra tsotra ny fivoizana fifankahalana ankitsirano na koa ny fanitsakitsahana ny soatoavina Malagasy. Any amin’ny politika no tena ahitana an’io. Tsy maintsy miandry fitoriana ve vao azo jerena ireny sy andraisana andraikitra ireny? Mety samy manao ny avy amin’ny mpanohana Fitondrana sy ny tsy mpankasitraka. Rehefa ny mpanohitra ny fitondrana ihany ve anefa vao misy ny fampanantsoana sy fanenjehana na fanagadrana mihitsy, toy ny mahazo an-dry Berija Ravelomanantsoa tratry ny 44 volana any am-ponja noho ny resaka fanehoan-kevitra tamin’ny Facebook? Na koa toy ny raharaha angidim-by nanenjehana ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa sy ry Nadia Raonimanalina. Gaboraraka tanteraka ny fampiasana sy ny fikirakirana facebook, saingy toa tsy misy fandraisana andraikitra firy. Betsaka ny zavatra mihoam-pefy raha ampitahaina amin’ireny, saingy toa tazanim-potsiny. Toa mampitombina ny ahiahy fa avy any anaty olon’ny Fanjakana ny famoronana sy famporisihana ny kaonty fako,… Rehefa ny tsy mpanohana fitondrana no ho petahina toa mihazakazaka be ny raharaha. Efa handray roa taona kosa, ohatra, ny fitoriana nataon’ny Antoko TIM momba ny fangalarana ny sonian’i Marc Ravalomanana sy namoahana taratasy manala baraka azy fa moa mba nisy tohiny? Rehefa vandana dia kary na iza na iza no ambadik’ireny fivoizana zavatra hita miharihary fa tsy mitombina, fanasoketana, fivoizana fankahalana fahatany, dia mila andraisana andraikitra avokoa, mba tsy hitsaran’ny olom-pirenena fa hatao fitaovana politika fotsiny ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT