Anisan’ny fepetra ahafahana manala firenena iray tsy ho mpikambana eo anivon’ny OIF na ny fiombonamben’ireo firenena mampiasa ny teny
frantsay ny tsy fanajan’ireo mpitondra ao aminy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hahara-baovao ary ny tsy fanajana ny demokrasia, raha ny fanazavan’ny loholona frantsay eo anivon’ity sampandraharaha iraisam-pirenena ity. Zava-dehibe ny fahafahan’ny olona iray haneho hevitra ankalalahana, hoy izy ary anisan’ny zo fototra voarakitra ao amin’ny andininy faha-19 amin’ny fanambarana maneran-tany miaro ny zon’olombelona ka tsy anavahana an’iza na iza izany. Nifarana omaly moa ny fivorian’ireo parlemantera eo anivon’ny OIF izay notanterahana teto amintsika. Parlemantera miisa 300 avy amin’ireo firenena 80 ao anatin’izay frankofonia izay no tonga nanatrika ity fivoriambe ity. Raha ny fandehan’ny toe-draharaha eto amintsika no asian-teny, indrindra taorian’izay fanambarana nataon’ireo mpanao gazety frantsay mikasika ilay lalàna vaovao momba ny serasera izay dia ahiana ny fanesorana an’i Madagasikara ao anatin’ny OIF.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.