Actualités

Madagasikara - Fizahantany 2023 Nosokajian’ny Forbes ho isan’ireo 5 voalohany


  • Zoma 30 Desambra 2022

Nosokajian’ny gazetiboky malaza Forbes ho isan’ireo toerana mahaliana sy tsy azo hihodivirana mendrika hotsidihina indrindra ho an’ny taona 2023 I Madagasikara.

Dominica, Saint-Kitts, Mexique, Japon, ary Madagasikara no nosafidian’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany maneran-tany ho manintona, ary sokajiana ho toerana lafatra hitrandrahana fizahantany ahafahana mitondra fahalalana ho an’ny taranaka ho avy. Ny fahafaha-mitsidika toerana maro no voalaza fa isan’ny tombondahiny ho an’i Madagasikara noho nyharena voajanahary mampiavaka antsika, noho ireo zava-manan’aina na biby sy zava-maniryy tsy hita afatsy eto Madagasikara. Ny fikajiana sy fiarovana azy ireo anefa no isan’ny mampanahy ho an’i Madagasikara, ary mila ilay antsoina hoe : « voyage responsable » ahafahana manabe ny mpizahatany fa indrindra ny tanora. Nomarihin’ny Black Tomato, fa isan’ny tena mety raha hanaovana fizahantanyy ho an’ny andiam-pianankaviana i Madagasikara satria tsy misy famerana na eo amin’ny lafiny taona na eo amin’ny zava-manan’aina mety hampidi-doza. Fantatra eo amin’ny ezaka fiarovana ny karazan-gidro na « lémuriens » izay fananany madiodio ihany koa i Madagasikara, raha toa ka tsy dia misy mpahalala kosa ilay antsoina hoe : « Safari bleu ». Isan’ny fanamarihana manokana ny hakanton’ny Nosy Manampaho izay ahafahana misitraka sy mahafantatra ny fampitomboan-taranak’ireo voron-drano, fa eo ihany koa ny hakanton’i Nosy Be.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT