Rongony maherin’ny 5 taonina no niainga avy eto Madagasikara ka niondrana tany ivelany tamin’ny taona 2015 raha toa ka 65 kg kosa no niondrana tamin’ny telo volana voalohany tamin’ity taona 2016 ity,
araka ny tarehimarika voaray farany. Ireo nosy manodidina antsika tahaka an’i La Réunion, Maorisy ary Kaomoro no tena fantatra fa handehanan’ireo zavamahadomelina ireo, re ihany koa fa misy ireo miondrana any Afrika sy any Eoropa mihitsy. Miezaka manao ny asany ny polisy misahana ny ady amin’ny mahadomelina saingy efa matanjaka ihany koa ny tambajotra miasa amin’izy itony, ary voaporofo tamin’ireo rongony 135 gony tratra tany Ihosy farany teo fa misy manampahefana mety tafiditra mivantana na an-kolaka amin’ny trafikana rongony ka mahatonga ny entana tafaporitsaka foana na dia eo aza ny fanaraha-maso sy ny fisavana. Ny faritra Anosy sy Atsimo Andrefana ary Ihorombe ho an’ny any Atsimo sy Analabe any Avaratra no fantatra fa tena sompitry ny rongony eto Madagasikara. Tena mila fahavononana sy fitaovana ary angom-baovao matotra raha hiady amin’ity trafikana rongony ity. Tsy maintsy fantarina ihany koa ireo manampahefana na tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’ny tambajotra ka miaro ireo mpanao trafika. Henjana ny asa miandry ny mpitondra fanjakana satria hita eto Madagasikara avokoa ireo trafika henjehin’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena dia ny trafikana olombelona, trafikana hazo sarobidy sy biby efa ho lany tamingana, trafikana volamena sy vatosoa, izao manomboka miha mahazo vahana koa ny trafikana rongony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.