Actualités

Madagasikara Feno 100 % avokoa ny fonja


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Efa feno 100 % avokoa ireo fonja eto Madagasikara ankehitriny. Na ny toerana handrian’ny sasany aza mila tsy hisy intsony vokatry ny fahanterana sy ny fahateren’ny foto-drafitrasa

. Rehefa mivoaka ny fonja indray anefa ireo voafonja dia mbola hafa ihany koa ny olana miandry azy ireny sy ny fiarahamonina misy azy. Ho an’ireo tsy manan-kavana sy tsy manana antom-pivelomana mantsy dia lasa manita-tsaina hany ka mandripaka ireo manodidina azy. Miverina milona amin’ny asa fangalarana sy fanendahana ary fisolokiana indray izy ireny, antony mahatonga ny voafonja iray hiverina matetika any am-ponja. Nitady vahaolana mifandraika amin’izany ny Ministeran’ny Fitsarana ka fantatra fa hisy ilay tetikasa entina hanomezana asa ny voafonja. Izay rehetra mahavita ny saziny na nahazo fahafahana dia omena asa amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana mba tsy hahavery hevitra azy ireny ka hitarika azy hanaotao foana. Ireo lehilahy no tena voakasik’ity tetikasa ity amin’ny ankapobeny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT