Mahatratra 4 tapitrisa ireo Malagasy tsy an’asa ankehitriny, ka maro an’isa amin’ireo ny tanora izay mahatratra 70%. Mbola mampivarahontsana ihany koa ny fahafantarana fa isan-taona dia manodidina ny 400.000 hatramin’ny 500.000 ireo tanora manana mari-pahaizana no miditra eo amin’ny tsenan’ny asa.
Sarotra ho azy ireo anefa ny mahita asa mifanaraka amin’ny fianarana izay norantoviny noho ny toe-java-misy lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao, araka ny tarehimarika ofisialy navoakan’ny INSTAT na Ivontoerana mikirakira ny antontan’isa. Raha ny fandalinana ny zava-misy anefa dia milaza fa 3,8% ihany no tena tsy an’asa raha asa ambany karama kosa no tena olana eto Madagasikara. Mahantra ny mpiasa Malagasy amin’ny ankapobeny ary tsy ampy fahaiza-manao, araka ny fahitan’ny mpahay toekarena. Ny tatitry ny INSTAT ihany no milaza fa ny 80,5%-n’ny olona efa miasa no tsy ampy ny famokarana hataon’izy ireo. 42,5% kosa no manatanteraka asa tsy mifanaraka amin’ny fiofanana izay nataon’izy ireo. Io tranga io rahateo no tena mamaritra ny tontolon’ny asa eto amintsika satria efa mananontanona ny 50% izany araka ny fomba fijerin’ireo mpampianatra taranja toekarena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, izay miainga avy amin’ireo antontan’isa farany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Antony iray lehibe mampitombo ny salan’isan’ireo tsy an’asa ankehitriny ny fahavoazan’ny toekarena Malagasy vokatry ny krizy politika lavareny niainana tao anatin’ny 5 taona, hoy ny ivontoerana ho an’ny fampandrosoam-pirenena momba ny mahaolona eny anivon’ny fampianarana ambony. Na dia avo tokoa aza ny tahan’ireo tanora tsy an’asa dia nanamarika kosa ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa fa mazoto miasa ny maro an’isa amin’ny teratany Malagasy. Voalaza fa ny 15 hatramin’ny 64 taona rahateo no mameno ny 90,2%-n’ny mponina eto Madagasikara. 32,1 taona ny salan’isan’ny mpiasa Malagasy raha latsaky ny 25 taona ny 37%. Efa mihoatra ny fetra kosa ny sehatry ny miralenta amin’ny tsenan’ny asa eto amin’ny firenena satria 49,2% ny salan’isan’ny lehilahy raha 50,8% ny tahan’ny vehivavy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.