Actualités

Madagasikara 2023 Vinavinaina ho 4,2% ny fitomboan’ny harin-karena


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Vinavinaina hiakatra 4,2% ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena amin’ny 2023. Ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany sy nasionaly dia nahazoana vinavina vaovao ho an’ny fitomboan’ny harikarena ho 4,2% ny taona 2022

io, ary vinavinaina ho 4,9% kosa ny tahan’ny harin-karena faobe ny taona 2023 araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023, hoy ny fanazavana. Araka ny fanazavana dia « Ireo fampiasam-bola maro isan-karazany izay hanomboka na hifarana ny taona 2023 (fampiasambola ataon’ny fanjakana ary iarahany amin’ny sehatra tsy miankina) dia tokony hahatratra ny vina napetraka. » Ireo tetik’asa fanajariana sy fanondrahana ireo faritra fambolena dia tokony hampiakatra ny tahan’ny famokarana ara-pambolena, toy ny vary, izay vinavinaina hiakatra 9% ny famokarana azy. Nambara fa hotohanana amin’ny tahan’ny fampiasam-bola manodidina ny 25,3% an’ny harikarena faobe, 12,2% avy amin’ny fanjakana foibe ary 13,1% avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny famatsiana ny fandaniam-bolam-panjakana dia iantohan’ny fampidiran-ketra anatiny izay mahatratra 12,1% ny tahany ny taona 2023, ary ireo fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia hahatratra 6,4% ny tahany. Nambara fa ny fanohizana ireo hetsika fametrahana indostria dia ahafahana mampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Indostria halefa amin’ny labozia amin’ity delestazy lazaina fa amin’ny 2028 vao mety ho foana ? Nambara fa ny fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa fitaterana sy ny serasera ary ny fampandrosoana sy fanamorana ny tolotra angovo kosa dia hanome vahana kokoa ireo fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina. Manao ahoana ny resaka angovo, ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny filaminan’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ny filaminana politika,… Tena misy antoka mazava ve ny amin’ireo? Ho an’ny harena an-kibon’ny tany manokana dia mandrisika ny fampiharina ny lalana vaovao mifehy izay sehatra izany ity volavolan-dalàna ity, ary izany dia mba hahafahana mamelona indray ny asa sy ny tombony azo amin’io sehatra io 2023 sy hisarihana ireo mpamatsy vola. Hatreto aloha dia ny mpanao trafika no tena velona sy mahazo vahana ny amin’izany, ary ahiana ho vao mainka hiharatsy aza satria mitombo ny ampihimamba sy afera maloto amin’izao herintaona tsy hahataperan’ny fe-potoanan hiasan’ny Fanjakana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT