Lycée Rabearivelo

> Voaharom-paosy ny mpijery valina BEPC


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Vao maraina dia efa saika feno olona nijery ny voka-panadinana BEPC avokoa tamin'ireo foibem-panadinana maro teto an-drenivohitra, omaly.

 

Anisan'izany ny tetsy amin'ny Lycée Rabearivelo Analakely izay tena nifandrombahana tokoa ny nanakaiky ny tabilao be nisy ny lisitry ny afaka. Tsy vitsy ireo mpanararaotra no nanao ny nataony vokatr'izany ka mpangarom-paosy iray no tratra teo am-pisokirana vola tao am-paosina Renim-pianakaviana iray. Nihiaka mafy ity farany ka taitra ny rehetra ary niantso ny mpitandro ny filaminana teo ivelany teo izay efa nikasa ny handamina ny olona. Nanjary nilahatra tsy fidiny ireo mpijery ny vokatra taorian'izany ary nilamina hatramin'ny farany. Raha tsiahivina dia omaly maraina tamin'ny 04 ora no nivoaka ny voka-panadinana BEPC ho an'ny Cisco Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT