Actualités

Lycée JJ Rabearivelo Tonga handrava ny SEMPAMA, tsy nanaiky ny Proviseur


  • Alakamisy 21 Jona 2012

Tonga teny amin'ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo, omaly maraina ny solontenan'ny SEMPAMA.

 Tanjona tamin'izany ny hamoaka ireo mpampianatra sy hampiato ny fampianarana. Marihana fa manatanteraka ny «bac blanc» amin'ity herinandro ity ny mpianatra ao amin'ny JJR. Araka ny fanazavan'ny proviseur, Atoa Razafimahefa Charles dia nihaona taminy tao amin'ny biraony ireo solontenan'ny SEMPAMA miisa 30 teo ho eo. Nangataka izy ireo mba horavana ny sekoly, ary hajanona ihany koa fanadinana sy ny fampianarana. Izany no atao moa dia mba ho firaisankina amin'ireo mpampianatra mitokona manerana ny Nosy, araka ny fanazavan'izy ireo. Tsy nanaiky izany moa ny proviseur, satria tsy azo atao ny mampiato fanadinana izany, araka ny nambarany. Rehefa tsy nahazo fahafaham-po moa ireo olon'ny SEMPAMA dia lasa tany amin'ny “salle de profs”, saingy tsy nisy mpampianatra tao, noho ireto farany miasa.

Taorian'izay dia lasa nivoaka ny faritry ny sekoly JJR ny SEMPAMA ary dia nitohy soa aman-tsara ihany ny fanadinana. Araka ny fanazavan'Atoa Razafimahefa Charles ihany dia tsy dia niteraka olana be loatra tamin'ny fampianarana ny fitokonan'ny mpampianatra, raha ho an'ny JJ Rabearivelo manokana. Niato nandritra ny telo herinandro ny fampianarana tamin'ny volana mey, tao amin'ity lisea ity, fa taorian'izay kosa dia efa tonga daholo ireo mpampianatra ary niasa araka ny tokony ho izy. Na izany aza dia misy banga kely ihany ny fandaharam-pianarana ao amin'ny kilasy famaranana, ary dia hotohizana aorian'ny «bac blanc» moa ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana tsy vita, araka ny fanavan'ny proviseur ihany.

Nangonin'i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT