Tsy mbola voavahan’ny fanjakana hatreto ny resaka fandoavana ny tambin-kantsembohan’ireo mpitsara ny fanadinam-panjakana BEPC eto amintsika
. Nitokona avokoa mantsy ireo mpitsara BEPC tao amin’ny Lycée Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny herinandro teo. Ny zoma hariva teo izy ireo vao nanomboka nandray ny asany, izany hoe, efa tara andro iray sy tapany tamin’ny hafa ny asa tokony ho natao, taorian’ny fifampiresahana nifanaovany tamin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa mizotra araka tsara ny fitsarana ny fanadinana ankehitriny ary hiroso amin’ny fanaovana « déliberation » izy ireo anio alakamisy. Raha araka ny baiko nomen’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Atsimondrano ireo ekipany mantsy dia tsy maintsy ezahina havoaka rahampitso zoma avokoa ny vokatra ho azy ireo sy manerana ny Faritra Analamanga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.