Actualités

Lt-Kolonely voarohirohy amin’ny andramena Mangina ny Bianco


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Aiza ny mangarahara ? Tsy sahy miteny hatreto ny avy eo anivon’ny Bianco ny amin’ny hoe iza marina ilay manamboninahitra izay efa fantatry ny besinimaro ihany satria fanta-daza loatra.

 Rehefa nanontaniana ny teo anivon’io birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly io dia nilaza fa tsy afaka ny hiteny na inona na inona satria mbola mandeha ny fanadihadiana. Rehefa nanontaniana koa ilay voakasiky ny raharaha dia nilaza fa anjaran’ny Bianco no manamarina na voarohirohy izy na tsia. Tsy misy mety mazava, araka izany, ny roa tonta ary tsy misy fangaharaharana hatreto ny momba ny raharaha.

Ekena fa raha misy ny fanadihadiana, tsy hisy haka izay tsiambaratelo any akory, saingy ny andrasana fotsiny dia ny hoe marina ve fa tena ilay voarohirohy tokoa ilay manamboninahitra ? Miteraka resabe ilay izy ary na ny fianakavian’ny olona sasany aza dia efa nanambara sy nanakiana fa lasa fanalam-baràka ho azy ireo ny famoahana ny sarin’ny havany izay voarohirohy etsy sy eroa. Nahoana anefa ny sasany no tsy sahy lazaina akory ny anarany ? Mazava fa misy ny fitongilanana momba ny fanadihadiana ity resaka andramena ity. Ny tsy tokony hohadinoin’ny tompon’andraikitra dia ny hoe harem-pirenena no naondran’ny sasany ka zon’ny vahoaka ny mahafantatra ny zava-misy sy ny mangarahara izay tena ijoroan’ny sampandraharaha toy ny Bianco.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT