Nindaosin’ny fahafatesana tampoka noho ny lozam-pifamoivoizana tany Antsirabe i Om-Guy na Rabesaiky Guillaume, filoha mpanorina ny tarika Ny Ainga raha hamonjy ny fampisehoana atao ao amin’ny kianjan’ny kolejy Katolika Manandona-Antsirabe II.
Teo Morahita-Tsaravavaka, 10km mialoha ny hidirana an’i Tombontsoa raha avy aty Antananarivo no nisehoan’ny loza omaly alahady tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro teo. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina teny an-toerana dia nandeha mafy ny fiara 4x4 Kia Sportage nitondra an’i Om-Guy ary nisongona fiara niisa telo. Tsy mbola tafavoaka anefa izy ireo dia nisy fiara nipoitra avy any atsimo ary saika nifatratra tamin’io ilay fiara 4x4 Kia Sportage nentiny. Niezaka niala izany ilay mpamily mba tsy hisian’ny fifandonana mahery vaika saingy tsy voafehiny ny familiana ka nanidina ary nihantona tamin’ny andrin-tany ilay fiara. Tsy nisokatra ihany koa ny “Air bag” teo alohan’i Om-Guy ka ny lohany no voadona mafy dia mafy. Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy ary nentina avy hatrany nihazo ny hopitaly loterana Andranomadio saingy tsy nisy fitsaboana natao azy akory dia tsy tana ny ainy. Olona 5 no voalaza fa tao anatin’ilay fiara nisy azy ka ilay mpamily no somary naratra ihany koa fa ireo hafa tsy dia naninona loatra. Ankoatra ny maha mpanakanto an’i Om-Guy dia fantatra teo amin’ny tontolo politika izy satria dia solombavambahoaka avy amin’ny antoko AVI, mpampianatra ihany koa ary voalaza fa mahay mifandray aman’olona. Talen’ny kabinetran’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony ny andraikitra nosahaniny mialoha izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao. Nandrasana tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina Antsirabe ny vatana mangatsiakany halina. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.