Lozam-pifamoivoizana

> Sinoa nandona Karana, dia nitsoaka


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

Fiara roa, BMW sy Sprinter, no nifandona teo amin’ny sampanana manoloana ny fivarotan-dasantsin’ny Galana tetsy Behoririka omaly alahady tamin’ny 09 ora maraina.

Fiara tokony hifanena ilay BMW sy ilay Sprinter, izay marihina fa samy tsy teratany Malagasy no nitondra azy ireo, fa ilay voalohany nentina Karana ary ity farany nentina Sinoa. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ilay fiara Sprinter handona ilay BMW  satria dia nalalaka tsara ny lalana tamin’io fotoana io. Tsy nijanona ilay Sinoa fa avy hatray dia nitsoaka ka nitodi-doha niverina avy hatrany ilay Karana ary nanenjika azy. Na dia teo aza anefa ny tanjaky ny fiarany dia somary lasa lavitra manoloana ny fiantsonan’ireo fiara fitaterana vao  tratrany ilay Sprinter ary raha tsy nobahanany avy teo aloha tsy nijanona. Voadoana fanindroany ilay fiara BMW tamin’izany ka nanao tari-dositra avy hatrany ilay Sinoa mpamily. Fotoana kelikely tato aoriana dia nisy Sinoa vavy iray nipoitra tsy fantatra hoe : avy aiza nanatona teo ary nifampiresaka tamin’ilay tompon’ny fiara BMW. Fantatra teo fa nanao raharaham-pihavanana ilay Sinoa vavy ka handoa ny lany rehetra amin’ilay BMW. Nanjavona kosa anefa ilay tena namily ny fiara Sprinter tsy fantatra mazava izay antony !

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT