Lozam-pifamoivoizana

> Mpitondra Taxi saika niharan’ny fitsaram-bahoaka


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013


Raim-pianakaviana iray nitaingina bisikileta no voadonan’ny fiarakaretsaka ny takarivan’ny talata teo tao Tolagnaro. Voalaza fa tao anatin’ny hamamoana ilay nitondra fiara, no nandeha mafy ka nifatratra tamin’ilay rangahy mpitaingina bisikileta. Naratra ity farany. Vao nahita ny loza ny teo amin’ny manodidina sy ny fianakavian’ilay rangahy voadona dia ny hisambotra ilay tovolahy mpamily no tao an-tsainy, hanao fitsaram-bahoaka. Nalaky tonga anefa ny mpitandro ny filaminana nisambotra ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Bazaribe hatao fanadihadiana. Tamin’izay no nahafantarana fa matetika ity mpamily fiarakaretsaka ity no mandona sy mandratra olona kanefa dia avotra hatrany.

 

 

Natiora OTH

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT