Naratra mafy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny alatsinainy 11 jolay teo ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika, Randriarimanana Harison Edmond.
Tra-doza, niala lalana, tao anelanelan’Ankilizato sy Mahabo, amin’ny lalam-pirenena faha-34 ny fiara nitondra azy nitarika delegasiona hamita iraka any Morondava. Naratra mafy ny telo tamin’ireo olona tao anatin’ilay fiara, ka anisany ity minisitry ny fambolena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ary lasa mpanolotsaina manokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana ity. Ny mpamily no tsy naninona tao anatiny, na dia potika tanteraka aza ilay fiara, vokatry ny fivadibadihany. Nandefa fiaramanidina manokana tany Morondava ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika naka ireo naratra, hiakatra aty an-drenivohitra hotsaboina, ka nampidirina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny iray amin’izy ireo. Nobatain’ny zandary nankao Mahabo kosa ilay fiara simba niharan-doza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.