Actualités

Loza tao Soanierana Ivongo Tsy nahazo mariboninahitra i Bimba


  • Zoma 09 Septambra 2011

Mahatsiaro very olomanga i Sainte Marie ankehitriny. Anisan’ireo namoy ny ainy nandritra ny loza an-dranomasina tao Soanierana Ivongo farany teo i Bimba Onésime Flavien, izay niasa tao amin’ny sampandraharaha miahy ny mponina ary nahavita be tokoa tamin’ny fanampiana ny fiarahamonina tao Sainte Marie.

 Araka ny voalazan’ireo mpiara-niasa taminy, dia anisan’ny fatra-pandala ny soatoavina malagasy ary manaja olona i Bimba, ary nanatitra indrindra ny minisitry ny mponina ny tenany no nindaosin’ny fahafatesana. Very hevitra ihany koa izy ireo ankehitriny, indrindra fa ireo ONG niara-niasa akaiky taminy ny mikaroka izay hasolo ny toerany. Araka ny fantatra mantsy dia anisan’ireo nahazo fiaraha-miasa maro tany ivelany itompokolahy fony fahavelony izay nahazoan’ireo ONG samihafa fitaovana entina hanasoavana ny vahoaka. Anisan’ny angady nananana ny fankalazana ny fetim-bokatra isan-taona tao Soanierana Ivongo ihany koa ny tenany ary tonga hatramin’ny fananganana "gite rural" mihitsy izany.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanentanana ny ady amin’ny SIDA ny tenany ka nitsangana ny LVM (La Voix des Missionnaires), nanentana mikasika ny fambolena ihany koa izay nitsanganan’ny ONG Avotra. Izy ihany koa no nametraka ny toby fitrandrahana “spiruline” voalohany tao Sainte Marie ankoatra ny fikambanam-behivavy maro ao Sainte Marie sy Soanierana Ivongo. Anio anefa no ho fantatra na mba ho anisan’ireo nahazo mariboninahi-pirenena ny razany, na tsia. Izy rahateo efa voalevina.  Re mantsy fa hihazo an’i Soanierana Ivongo ny praiminisitra hitsidika ireo naratra sy ireo fianakaviana namoy ny ainy tamin’iny loza iny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT