Naneho ny heviny mikasika ny loza nitranga tao Soanierana Ivongo ny alahady tolakandro teo i Alain Ramaroson.
Aminy dia «sabotazy tsotra izao iny loza iny”. Nambarany aza fa “misy mahita tombontsoa amin’ny fahafatesan’ny minisitra Nadine Ramaroson, noho ity farany tian’olona sy mahavita ny asany amin’ny fiarovana ny marefo sy iharan’ny didin’ny besandry. “Izay fitiavana’olona azy indrindra no misy matahotra, ary atahorana mafy satria ho avy ny fifidianana atsy ho atsy, indrindra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena». Nilaza i Alain Ramaroson fa «maty noho ny hetraketraka sy antony tsy mazava ny minisitra be herim-po ity sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky». Hentitra ny tenany nilaza fa «tsy hamelako izay nahatonga izao loza izao !». Misy vaomiera manokana natsangana hanao fanadihadiana mikasika iny loza iny, ka ny alatsinainy teo ihany dia efa nidina tany Soanierana Ivongo izy ireo nanomboka ny fanadihadiana rehetra.
Omaly mitataovovonana mahery, no niala tao amin’ny Kianjan’i Soavita Toamasina ny razana nentina niakatra aty Antananarivo. Nampandalovina ny lalam-pirenena faha-02 ny razana, ka nahafahan’ireo mponina amin’ny tanàna rehetra nandalovany nanao veloma farany azy. Natokan’ny FAT ho andro fisaonam-pirenena ny zoma 02 septambra izao, noho iny voina tany Soanierana Ivongo iny. Miasa kosa anefa ny mpiasa rehetra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.