Actualités

Loza tany Soanierana Ivongo Nampihavana ny ankolafin-kery rehetra tao Toamasina


  • Talata 30 Aogositra 2011

Tonga tao Toamasina, kianja mitafon’i Soavita mihitsy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, teo koa ireo minisitra vitsivitsy ao amin’ny governemanta Vital.

Tamin’ny 9 ora sy 30 mn izy ireo no nigadona tao, tamin’ny 10 ora latsaka fahefany kosa no tonga ny razana efatra izay nentina helikoptera, nahitana ny vatana mangatsiakan’ny minisitra Nadine Ramaroson, Mme Aimée, “chargé de mission”, i John mpiambina azy ary ny misahana ny serasera Heriniaina Andrianjafison na Hery. Ny fiafaran’ny tolakandro kosa no tonga ny razana manaraka dia mpamily Claude Tiana sy Atoa Saonina Paul, talen’ny mponina sy raharaha sosialy Analanjirofo. Tonga niondrika teo amin’i tompokovavy Nadine Ramaroson koa ny teo anivon’ny Ankolafy 3 sy ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina, notarihan’ny Me Rasamimaka Mahefalahy (Ankolafy Ravalomanana), Kotomanantsoa Rémi (Ankolafy Zafy) ary i Dahy Emilien (Ankolafy Ratsiraka), ankoatra ireo fikambanana maro mivondrona ho rodobe ao Toamasina. Tazana ihany koa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Alain Mahavimbina, ny PDS Rakotovao Mariot Jean Florent, sy ireo lehiben’ny servisim-panjakana maro tarihin’ny talen’ny mponina sy ny raharaha sosialy Toamasina. Ankoatra izay, feno koa ireo mambran’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita zanak’i Toamasina.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT