Olona iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nandritra ny
fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo raha araka ny tatitry ny polisim-pirenena. Miisa telo ireo karazana loza nitranga ireo raha olona iray kosa no naratra mafy. Miisa 5 kosa ireo halatra niseho ka ny 3 tamin’ireo dia halatra moto avokoa, raha fikasana hangalatra ny 2. Ankoatra ireo dia vatana mangatsiaka iray ihany koa no hitan’ny polisim-pirenena, nahatratra 4 ny fahamaizana ka ny iray amin’ireo no trano. Olona miisa 32 nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao no narahi-maso ka ny 20 tamin’ireo nojerena ny tahan’ny alikaola tao anatiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.