Actualités

Loza inona Ny valala tsy maty, mirongatra ny sahona misy poizina


  • Zoma 11 Aprily 2014

Nandripaka ny valala taty Analamanga, mampihorohoro kosa ny saobakaka ao Atsinanana

 Nanomboka tamin’ity herinandro ity tao anatin’ny oram-be sy rivotra be tao Toamasina, dia nirongatra tampoka ireo saobakaka (radaka hoy ny mponina) misy poizina ao amin’ny Fokontanin’Antsarimasina eo am-pidirana ny tanànan’i Toamasina amin’ny lalam-pirenena faha-02. Araka ny fanazavan’ireo mponina dia maty avokoa ireo zava-maniry sy voly andalovan’ireto karazana sahona ireto, mahazo aretina ihany koa  ireo olona mitazona azy raha tsy manasa tanana tsara sy matetika amin’ny savony. Miahiahy, araka izany, ny mponina ao Antsarimasina. Eo ny hangezan’ilay saobakaka izay mety alain’ny ankizy ka mety ho haniny, eo koa ireo mety haka izany amidiny eny an-tsena, ary eo ny famboleny sy ny fiompiany matimaty avokoa noho ireto biby ireto. Tsy fantatra mazava ny tena niavian’ilay biby fa ny tsapan’ny mponina dia ny fahabetsahan’ny rano vokatry ny orana tato ho ato no nampirongatra azy ireto tampoka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT