Actualités

Loza an-dranomasina tao Soanierana Ivongo Tafaverina ireo nampanaovina fanadihadiana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Naharitra herinandro latsaka kely teo ny fanadihadiana nampanaovina ireo iraka manokana mikasika ilay loza an-dranomasina nahafatesana olona niisa 16 tao Soanierana Ivongo ny alahady 28 aogositra teo.

 Raha tsiahivina dia ekipa iarahan’ny minisiteran’ny fitaterana, ny ministeran’ny mponina, APMF, zandary sy ny polisy ary ny ekipan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny fiarovana eo anivon’ny CST, no nanatanteraka ity fanadihadiana ity, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao Toamasina ny alatsinainy 29 aogositra teo. Tsy mbola misy nipika aloha hatreto ny tatitra vita, saingy tsiliantsofina no andrenesana fa “tsy mazava ilay fipoahana nitranga tamin’ilay vedety nandehanan’ny minisitra Nadine Ramaroson sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tsy nisy simba mantsy ny moteran’ilay vedety, mbola ao avokoa ireo motera roa nanosika azy. Ny fitehirizana solika mety antony fipoahana koa, tsy nahitana fahasimbana sy fahavakisana fa mbola tao tsara ary mbola nahitana solika tao anatiny, ilay vedety ihany no nahitana triatra ary fahavakisana ny ilany havanana”. Ho hita eo anefa ny ho tohin’ny raharaha, satria tsy maintsy hanao tatitra amin’ny naniraka azy ireo nampanaovina ny fanadihadiana. Miandry ny tatitra vita koa ny vahoaka Malagasy, hahalalana ny tena zava-nisy marina manodidina iny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tao amin’ny vinan’i Soanierana Ivongo iny. Ankoatra izay anefa, dia tsaroana eto ny tenin’ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, Nadine Ramaroson, nandritra ny fanolorany kilalao ho an’ireo ankizy niisa 1.600 tao Soavita herinandro nialoha ny loza nitranga iny, nanao hoe “maro ny fandrahonana ho faty mahazo ahy sy ny ekipako amin’izao fotoana izao, fa tsy mampihemotra anay izany satria ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny Malagasy madinika no mampijoro anay tahaka izao”.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT