Actualités

Loto ao Toamasina Jeren’ireo olom-boatendry fotsiny


  • Talata 17 Aprily 2012

Fako, loto, rano miandrona etsy sy eroa … izay zary fiainana isan’andron’ny mponina ao Toamasina tao anatin’izao tetezamita izao.

 Nesorina ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka izay nosoketaina ho mpangala-bolam-bahoaka, ka nametrahana olon-tiana sy azo baikoina, efa andiany roa nifandimby izao. Tsy niova anefa i Toamasina fa vao mainka aza nikorosifahana. Mirongatra ny aretina maro amin’izao vanim-potoana mampisaraka ny fahavaratra sy ny ririnina izao. Lohalaharana amin’izany ireo aretina vokatry ny viriosy ahitana ny gripa, ny tefoedra, ary efa ahitana ny bilarziozy koa aza, araka ny fanazavana nomen’ny Dr Rakotomalala Harry. Manginy fotsiny ny tazamoka tsotra sy ny aretin-koditra noho ireo rano maloto tsy afaka eran’ny tanàna. Nambaran’ny Dr Rakotomalala Harry hatrany fa “zendana sy gaga ny tenako fa dia any amin’ny tetikasa Ambatovy no anilihan’ny sasany ny rihitra. Ianao mba manazava ny marina mikasika ny zava-manjo azy indray koa no ilan’ny olona ady”. Fambaran’aretina gripa avokoa no manjo ireo mitsabo tena ankehitriny, hoy ity mpitsabo ity. Midika izany fa ny loto sy ny fako ary ireo rano miandrona mandavan-taona eny amin’ny Fokontany no olana. Koa raha tsy misy ny vahaolana haingana mikasika izany dia vao mainka hihamafy ny gripa sy ny sery ary ny tefoedra hahazo ny mponina ao Toamasina rehefa tonga ny ririnina satria ho mando ny rivotra, ny andro hangatsiaka, izay mahavelona tsara ny viriosin’ireo aretina ireo, ary hanampy trotraka izany koa ny ho firongatry ny bilariziozy. Hatreto aloha, tsy te hahalala ny olom-boatendry ao Toamasina amin’ny zava-misy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT