Nofinofy maro no tanteraka ary fiainana maro koa no hiova. Vaky tokoa mantsy ilay tontona mitentina 1 miliara sy 500 tapitrisa ariary tamin’ny lalao loto 6/42 araka ny fampanantenan’ny orinasa Reelmada.
Tsy nisy nahita ny isa 6 marina ary torak’izany koa ny isa 5 miampy ny isa fanampiny iray. 16 kosa ireo mpilalao nahita ny isa 5 izay nitsikian’ny vintana satria izy ireo no mizara ny tontona goavana mitentina 1500 tapitrisa ariary. Samy mahazo 95.226.200 ariary avy izy ireo, araka izany, ankoatra ny vola azony noho ny fahitana ny isa 5 marina. Ny 32-37-41-3-17-28 miampy ny 09, isa fanampiny ireo tarehimarika voasarika nandritra ny antsapaka faha-22 ny sabotsy 30 jolay lasa teo.
Nahatratra 7.960 kosa ny fitambaran’ireo nahazo vola rehefa nahita isa 3 no ho miakatra. Nanome voninahitra ny antsapaka tamin’io sabotsy io ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja baskety izay handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy sy ny Afrobasket notarihan’ny filohan’ny federasiona sy ny minisitry ny fanatanjahantena. Araka ny nambaran’i Riana Ravoniandro, talen’ny fifandraisana ivelany ao amin’ny Reelmada dia mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena ny loterie Malagasy izay mandefa ny 2%-n’ny renivolany amin’ny sehatry ny fanatanjahantena sy ny alavoly ankoatra ny 30%-n’ny vola kirakiraina izay arotsaka avy hatrany ao amin’ny kitapom-bolampanjakana. Tsy vitan’izay fa mbola mpanohana ny Afrobasket izay hotontosaina eto amintsika koa ny Reelmada. Nankasitraka sy naniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa kosa i Ndremanjary Jean André.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.