Actualités

Loterie Malagasy Nahazo 20 tapitrisa ariary Ramarivelo


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Tsy resabe hanintonana ny olona handray anjara fotsiny fa tena mety ahazoan’ireo tsara vintana vola be tokoa ny lalao antsapaka Loterie Malagasy.

Nibata 21 tapitrisa ariary mahery nandritra ny fisarihana notontosaina ny sabotsy 23 aprily teo Ramarivelo Sahondranirina rehefa nahita isa marina dimy miampy ilay isa fanampiny. Ny isa faninenina ihany no tsy hitany. Ny fomba filalaovana “flash”, izany hoe ny masinina no nisafidy ireo isa nataony anaty tapakila amin’ny toerany no nampiasainy. Tapakila iray ihany moa no novidiany tamin’io. Marihina fa fanindroany izao ity renim-pianakaviana ity no nilalao ary nahazo hatrany izy. Isa marina telo no hitany tamin’ilay voalohany, araka ny nambarany.

Hitety ireo tanàna maro tsy mbola hitany eto Madagasikara sy hamangy ny zanany monina any ivelany Ramarivelo Sahondranirina amin’ny alalan’io vola azony io. Noho ny antony ara-pandriampahalemana dia narotsaky ny orinasa Reel Mada mpikarakara ny lalao Loterie Malagasy ao amin’ny kaontiny any amin’ny banky ilay loka azony. Miakatra hatrany moa ny tontona ho an’ny Loterie Malagasy ka lasa iray miliara ariary izany amin’ny fisarihana manaraka.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT