Actualités

Loka Nobel amin’ny Simia Ho avy hizara traikefa eto Madagasikara


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena ny masoivoho vaovaon'i Inde, Bandaru Wilsonbabu, ny harivan’ny omaly 26 oktobra 2022.

Nanamafy ny fahavononan’i Inde hiara-hiombon’antoka amin’i Madagasikara hanatanteraka ireo asa fampandrosoana sy ireo vinan'ny fitondram-panjakana moa ity Masoivoho ity, hoy ny tati-baovao voaray. Vonona hatrany ny fanjakana indianina hizara ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra maro samihafa toy ny haitao ara-kajy mirindra, ny indostrian’ny fanamboarana sy fikarohana fanafody, ny fambolena sy fiompiana. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ihany koa ny marainan’io ny masoivoho vaovaon'i Israely, Eliav Belotserovsky. Maro ireo lalam-piaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Israely izay nodinihana nandritra izao fihaonana izao ho fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, ny fahasalamana, ny teknolojia momba ny rano, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny hampitomboana ireo mpizahatany israelianina ho tonga hitsidika an’i Madagasikara. Eo amin’ny lafin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana kosa dia nanambara ity masoivoho vaovao ity fa hisy ny manampahaizana nahazo ny loka Nobel amin’ny Simia ho avy tsy ho ela eto Madagasikara mba hifampizara traikefa sy voka-pikarohana eny anivon’ny oniversite Malagasy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Fandraisana ireo masoivoho miisa 2 teny Iavoloha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT