Ny 24 martsa teo dia nisy latsa-bato natao tao amin’ny firenena mikambana mba hampitsaharana ny herisetra any Okrainina, indrindra, ny herisetra ataon’I Rosia amin’ny sivily,
hoy ny loholona voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika Malagasy Miara Miainga na MMM, Michel Rakotondrainibe. 140 ireo firenena nanaiky. 38 no tsy naneho hevitra ary isany i Madagasikara. 5 no nanda ary miandany amin’I Rosia. Midika izany fa mitoka-monina amin’ny lafiny diplaomatika I Rosia. Eo anatrehan’ny tsindry hazolena sy herisetra atao amin’ny sivily dia mitovy ihany ny tsy manameloka sy miandany amin’ny mpanao herisetra. Ny fanamelohana ny fanafihana ataon’ny Rosianina dia tsy midika velively ho fiandaniana ny ady atao amin’ny Okrainina fa midika fanamelohana ny fanitsakitsahana ny lalana sy soatoavina iraisam-pirenena nataon’ny Rosianina tamin’ny firenena okrainianina. Tsy misy tombontsoan’i Madagasikara amin’ny fitokana-monina ara- diplaomatika. Dimy ihany ireo firenena miandany amin’i Rosia. Anjakan’ny fitondrana jadona avokoa. Mbola vitsy an’isa koa ireo 38 tsy naneho hevitra miaraka amin’i Madagasikara. Ilaintsika anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo maro an’isa ireo eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Mpikambana mavitrika eo anivon’ny vovonana politika iraisam-pirenena amin’ny hery afovoany, CDI/IDC ny antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo. Manameloka ny herisetra sy ny fanafihana ataon’i Rosia avokoa izy ireo ary miray hevitra amin’izany ny MMM. Maneho ny fitakiana ny fanajana ny lalana iraisam-pirenena, indrindra, ny hasin’ny tanindrazana iray sy ny fiandrianam-pirenena ny MMM, hoy hatrany ity loholona ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.