Lodsia

> Ho betsaka ny vokatra amin’ity


  • Zoma 13 Septambra 2013


Efa ao anatin’ny fanomanana ny fiotazana sy fanondranana lodsia amin’ity taona ity izao ny vondron’ny mpanondrana lodsia (GEL). Raha ny fanazavana nomen’Atoa Rafidimanana Narson, filohan’ny GEL sady filohan’ny antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT), dia ho betsaka sady tsara ny vokatra lodsia amin’ity taona ity. Mety amin’ny fivoaran’ny lodsia rahateo ny toetr’andro. Araka ny fanazavana aza dia namelana avokoa ireo lodsia simban’ny rivodoza tamin’ny taon-dasa tao Brickaville sy ny ilany atsimon’i Toamasina. Nilanja 17.500 taonina ny lodsia naondran’i Madagasikara ny taona 2012. “Tsy nanenjika lanja ireo mpanondrana lodsia, fa nanao kosa izay hahatsara ny vokatra mba hitazonana ny tsenan’ny lodsia Malagasy efa teo an-dalam-pahatapahana”, hoy Atoa Rafidimanana Narson. Amin’ity taom-piotazana 2013 ity dia mbola hazonina ny lanja 17.500 taonina any Eoropa. Ho hentitra anefa ny fanaraha-maso ny fenitra takian’ny tsena.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT