Actualités

Literatiora Malagasy Mitady ho very tanteraka


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Mitady ho very hanjavona ny literatiora Malagasy ankehitriny na dia betsaka aza ireo tsy mahalala azy akory.

Ny tanjona anefa dia ny hampahafantatra izany manerana izao tontolo izao ho reharehantsika eto an-toerana amin’ny alalan’ny fikarohana hotontosaina tsy miato. Mba hahafahana manatratra ny tanjona ary dia nikaon-doha sy nifanakalo traikefa avokoa ireo mpisehatra  nahitana  ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa, ny tompon’andraikitry ny LLOM (Laboratoire des litteratures et Oraliter des Malgaches)… Tanjon’ny mpikarakara ny hahafahana mametraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny soatoavina Malagasy amin’ny alalan’ny literatiora. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ny vokatra saingy ny fampahafantarana izany no tsy ampy ankoatra ireo tsy voatrandraky ny mpianatra. Ezahina hatao isam-bolana moa ny hetsika tahaka izao ho tombontsoan’ny firenena Malagasy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT