Actualités

Lisitra fiandry ENAM Mbola miandry !


  • Alarobia 08 Aogositra 2012

Araka ny fanazavan-dRajaonarivelo Théogène, Tale jeneralin’ny ENAM, dia mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ny momba ireo 56 mianadahy tamin’ny lisitra fiandry, tokony hiditra hianatra eny amin’ity ivotoeram-panofanana mpiasam-panjakana ambony ity.

 Ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy no nanapa-kevitra fa tsy izay, hoy izy. Nomarihiny fa manana naoty ara-dalàna notsarain’ireo jury, ary nivoaka tamin’ny 21 aprily 2012 teo izy 56 mianadahy ireo, fa tsy sanatria namoronana na nanamboarana naoty vaovao, tsy akory. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly ihany dia manaja ny lalàna mifehy azy ny ENAM. Raha toa ka misy mpianatra afa-panadinana kanefa avy eo nitsoaka an-daharana dia soloinn iny, amin’izay mpianatra manaraka manana naoty tsara indrindra ry zareo. Arakaraka ny isan’ny nitsoaka an-daharana, na niala ihany ny isan’ireo ampidirina.

Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia ny ministeran’ny asam-panjakana no nanapa-kevitra fa miaraka ampidirina eny Androhibe ireo 56 mianadahy hanampiana ny efa tafiditra eny, satria nihevitra ity ministera ity, fa tsy ho ampy isa ny mpiasam-panjakana atsy ho atsy noho ny fahamaroan’ny mandeha misotro ronono. Amin’ity anio ity moa no tokony hisy filankevitry ny minisitra, hahafantarana izay hevitry ny fitondrana tetezamita momba ity lisitra fiandry eny amin’ny ENAM ity, saingy mety hihemotra amin’ny fotoana manaraka izany satria tsy mbola eto an-toerana ny filohan’ny tetezamita. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT