Mazava ny tenin-dRtoa Atallah Béatrice fa dia tsy handefa «Agents Électoraux» hitety trano intsony ny CENI-T fa ny olom-pirenena tsirairay avy no tokony ho tonga eny amin’ny biraom-pokontany manatanteraka ny fanisam-bahoaka sy ny fampidirana ny anarany ao anatin’ny lisitra. Hifarana ny 15 aprily ho avy izao ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Izay voasoratra anarana anatin’ny lisitra hatramin’io daty io no afaka mifidy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna hotanterahana amin’ity taona ity.
Hatreto aloha raha ny fanisana farany dia 86 732 ireo mpifidy vaovao, vao nisoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.