Actualités

Lisi-pifidianana Hisy mpifidy vaovao 1 400 000


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Ny 10%-n’ireo taratasy fanisam-bahoaka na FRE naparitaka sisa no tsy mbola tafaverina eny anivon’ny Distrika isan-tokony, araka ny tatitry ny CENI.

 Izay efa voaray dia nalefa any amin’ireo CDI hampidirana ny anarana ao anaty solosaina nanomboka ny 15 jolay lasa teo araka ny fanazavan-dRasolonjatovo Jean Victor, Sekretera mpanatanteraky ny CENI. Nohazavainy fa mbola avantana any amin’ny faritra ny lisitra avoakan’ny CDI mialoha ny hamerenana azy amin’ny Distrika indray satria ity farany no misahana ny fanapariahana azy any amin’ny Fokontany hahafahan’ny olom-pirenena manarina ny anarany. Nanome toky ity tomponandraikitra ity fa ho tratra ny famaranana ny lisi-pifidianana amin’ny 31 jolay izao noho ny fanomezan-tanan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ireo fitaovana isan-karazany. Nambarany koa fa tsy mitombina izany tsy fahampian’ny FRE izany satria miisa 7 750 000 no naparitaka nefa ny 4 500 000 amin’ireo ihany no nampiasaina. Efa manana tombana momba ny isan’ny mpifidy ny CENI ankehitriny na dia tsy vita aza ny lisi-pifidianana. Raha 7 151 223 ny isan’ny mpifidy nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 dia mety hitombo 20% izany amin’ity izany hoe 8 581 000 eo ho eo no mety ho totalin’ny isan’ny mpifidy rehetra. Mpifidy vaovao ny 1 400 000 amin’ireo.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT