Actualités

Lisi-pidianana Voarafitra ny an’Analamanga


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011


 Ny sabotsy 30 jolay vao maraina, tamin`ny 3 ora no nahavitan`ny lisitry ny mpifidy ho an`ny faritra Analamanga, araka ny vaovao. Raha ny fantatra dia nisedra olana ihany ny CENI tamin`ny fandrafetana ny lisitra satria tsy vitsy ireo mponina no tsy nety nameno ny taratasy fanisam-bahoaka. Vita ihany anefa ny fanisana ny mpifidy ka raha ny tarehimarika dia nitombo teo amin`ny 22% ny isan`ireo mpifidy teto Analamanga raha oharina tamin`ny fanisana tamin`ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin`ny 17 novambra 2010. 1 650 000 mahery ireo mpifidy voaisa eto Analamanga. Araka ny fanisana natao tamin`ireo Distrika 13 mandrafitra an’Analamanga ihany dia ny Distrikan`Atsimondrano no be mpifidy indrindra, mihoatra ny 290 000 mahery any ho any. Ho an`ny Kaominina Antananarivo Renivohitra kosa dia ny Distrika fahadimy no be mpifidy indrindra. Manomboka amin`ity alatsinainy ity moa, raha ny vaovao dia miverina eny anivon`ny Fokontany ireo lisitra ireo ka azon`ireo mpifidy jerena sy ahitsy aha misy fahadisoana.

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT