Nivoitra nandritra ny hetsika fifampiarahabana noho ny taom-baovao nataon’ireo mpanabe ao amin’ny Lisea Ranohavimanana Norbert Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Antenimieran’ny varotra, fa mbola betsaka ireo mpampianatra FRAM tokony hampidirina mpiasam-panjakana. Manodidina ny 20 mianadahy izy ireo no mitana andraikitra lehibe eo amin’ny asa fanabeazana ny kilonga ao. Mahatratra 120 mianadahy ireo mpanabe sy mpandraharaha miara-misalahy mampandeha ny fampianarana ao amin’ny Lisea Ranohavimanana Norbert. Mbola olana sedrain’ny sekoly ny fahabetsahan’ny mpampianatra FRAM, hoy ny tale Randrianarisoa Claude ka tokony hojerena haingana ny mahakasika azy ireo. Nambarany hatrany fa tsy maharaka intsony ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM ireo ray aman-dreny ka voatery ny sekoly no mitady hevitra hanalefahana ny olana. Matanjaka ny fikambanan’ny sosialin’ny mpanabe ao amin’ny LRN izay tarihan’Atoa Tovoharisoa Andriamora, ka na misy aza ireo olana madinidinika mahakasika manokana ny mpampianatra FRAM dia mijoro manampy azy ireo ny fikambanana.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.