Nahazo governora vaovao ny fikambanana Lions Club International District 403 B2.
Andriamatoa Fidy Nirina Rakotozafy, teratany Malagasy no voafidy otronin-dRamatoa Laurencine vadiny. Hiasa mandritra ny 12 volana ity governora vao notinendry ity, vaovao nivoaka nandritra ny fifanarahana iraisam-pirenena notanterahin’ireo mpikambana ao amin’ny Lions rehetra tany Fukuoka Japon ny 30 jona lasa teo. Hamelona ny fananantenana sy ny ezaka efa nataon’ny mpikambana Lions sy Leo hatramin’izay ny fisian’izany satria tena miavaka tokoa, raha araka ny fanazavan’ny mpikambana. Raim-pianakaviana 68 taona ny lehilahy, pharmacien, manana ny mari-boninahitra chevalier de l’ordre national. Firenena miisa enina ho hiasany toy ny Nosy rahavavy La Réunion, Maurice, Mayotte, Djibouti, Comores ary isika eto Madagasikara. Fanambin’ity governora vaovao ity ny hijery manokana ny lafiny maha olona ka lohalaharana ny resaka sosialy. Tsiahivina moa fa tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan’ny fikambanana Lions Club ny fanendrena ity governora vaovao ity. Asa efatra lehibe no hiasan’izy ireo toy ny ady amin’ny hanoanana, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fijerena manokana ny tanora…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.