Actualités

Lietna-kolonely Lylison Milaza fa saika hisy hamono


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny lietnà-kolonely Lylison, lehiben’ny FIS omaly tolakandro.

Nolazainy tamin’izany fa nisy nikasa hamono ny tenany ny andro voatondro hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana teto amin’ny firenena ny sabotsy 19 febroary. Fantatra noho ny loharanom-baovao io araka ny nambaran’ity manamboninahitra ity ka nihetsika avy hatrany izy ireo hikaroka ireo miketrika izany. Teny Ambohimanarina no fantatra fa nosamborin’ny FIS i Elysé izay voalaza fa «tireur d’élite» mihitsy tamin’io andro io ihany. Tamin’ny herinandro lasa kosa no nosamborina Ralava sy Mohamed Ibrahim.

Rehefa nofotorana ireto farany dia nilaza fa any Antsiranana ny fitaovam-piadiana ampiasain’izy ireo. Nandeha tany ny FIS ka sarona tany ny basy kalach iray sy bala maromaro ary poleta roa misy bala maromaro ihany koa. Nilaza ihany koa ny lietna kolonely Lylison fa misy olon’ny Tafika, zandary ary polisy tamin’ireo olona mikasa ny hamono azy ireo. Teny amin’ny tobin’ny zandary Ankadilalana no nanao ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity manamboninahitra ity raha eny Ambohitsorohitra no mahazatra ny maro mahita azy manao izany.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT