Actualités

Lesoka nomarihin’ny SEG Niaro tena sy nanazava ny Lehiben’ny BNGRC


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Isan’ny nanaovan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Serge Gellé fanamarihana ny BNGRC (Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza)

 mikasika ny famonjena voina taorian’ny fianjeran’ny fiaramanidina nitondra azy ireo ny 20 desambra teo. Nambarany fa ny BNGRC tonga ihany fa tsy fantatny hoe adin’ny firy taoriana, hitanay ilay lampy, nisioka ilay namako mety ilay mécanicien io,… izaho somary avo feo aho. Hitanay ry zareo fa ny tsy nahenoany anay, tsy namono maotera, raha ny tena izy dia mitondra pagaille, mijery hoe mankaiza ny “courant”,… Mamono maotera, miantso,… Tokony ho 200m ny elanelanay fa tsy maheno ry zareo, izaho mieritreritra hoe ilay sioka no henony dia lasa izy, dia izaho izany ho tavela eto fa tsy hitan-dry,.... Nanao tatitra tamin’ny Minisiteran’ny Atitany satria asa io, tsy maintsy maka lesona isika, mila raisina kely ny ekipantsika ilay BNGRC satria ireny fahafatesan’ny namana ireny mba hanatsarana asa. Aza raisina ohatran’ny tsikera, fa izany no mampalahelo hay eto amintsika, ny olona milaza ny zavatra marina raisina ohatran’ny tsikera, ka tsy tsikera izany “constat” », hoy ny Jeneraly Serge Gellé. Nilaza kosa ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraly Elack Olivier Andriankaja omaly, fa ny asan’ny BNGRC mba tsara ho fantatry ny rehetra, dia manana ny politika ankampobeny na GRC (Gestion des Risques et des Catastrophes) isika, ka mitarika hanana ny paikady nasionaly no asan’ny BNGRC. Ny manao ny fandrindrana ny asa rehetra izay ataon’ny mpiantsehatra amin’ny GRC no ataony. Voatonontonona ny BNGRC, mety nieritreritra ny SEG hoe: ny BNGRC no nakany, fa ny nataon’ny BNGRC dia naniraka ny olona nakany. Vao nitranga iny, dia niantso ny Filoha nanome baiko. Tonga ny APMF (Antokon-dRaharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-tanety), ny tafika Malagasy, ny CPC (Cord de Protection Civile)… ary no tanan-kavanan’ny BNGRC, hoy hatrany ny Jeneraly Elac Olivier Andriankaja.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT