Leriva Manahirana

> Tsy feno ny fepetra hanaovana fifidianana


  • Alarobia 04 Septambra 2013

Hita te hiala maika amin’ny krizy ny vahoaka ary betsaka ny mihevitra fa aleo hiditra amin’ny fifidianana amin’izay.

Betsaka ny fepetra tsy mbola azo idirana amin’izany ary dingana ihany ny fifidianana fa tsy vahaolana avy hatrany, hoy ny CST Leriva Manahirana. Fanampiana vonjy ranovaky no mampilamin-dratsy ny fiainana, hoy izy, ka raha miala avokoa ireo dia hijaly kokoa ny Malagasy aorian’ny fifidianana. Tsy zaka ny mbola hiakaran’ny lasantsy ho 450 Ariary ambonin’ny vidiny ankehitriny, nefa rehefa miakatra ny solika dia miakatra ny vidim-piainana, hoy i Leriva Manahirana. Hilamina ve ny fiainana ao aorinan’ny fifidianana raha izay no miandry ? Aleo tsy mirotoroto, fa manjary tsy haharitra ilay fitondrana hijoro. Ny CENI-T aza ity mangataka 7 miliara amin’ny fanjakana indray. Fa lasa aiza ilay iraisam-pirenena mamatsy sy manery ny hisian’ilay fifidianana ? Aleo hilamina ny disadisa rehetra dia mihavana ny Malagasy ary mialoha ny fifidianana no ilaina ny fampihavanana fa tsy ao aoriana.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT