Tapa-dava ny rano fisotro madio eny Ampasamadinika. Efa ho efa-bolana izao no niainan’ny mponina izany.
Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina no tapaka isan’andro ary tsy miverina raha tsy amin’ny 6 ora sy sasany hariva, izany hoe mandritra ny 12 ora. Rehefa miverina indray anefa ny famatsiana dia toy ireny ranom-potaka eny an-tanimbary ireny no mandeha amin’ny paompy, araka ny fitarainan’ny mponina ka tsy azo hampiasaina sy sotroina raha tsy afaka ora iray aty aoriana. Vokany, voatery mifoha amin’ny 5 ora maraina ny mponina rehetra midio sy manangon-drano na dia mangatsiaka aza ny andro. Manomboka amin’ny 10 ora alina indray ny sasany no manasa lamba, ora tokony hatoriana nefa tsy maintsy hanenjehana ny fahafahan’ny rano mandeha, handaminana ny raharaha ao an-tokantrano. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia efa niantso matetika ny orinasa JIRAMA izy ireo saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Ankoatra ny rano dia fantatra fa misedra olana vokatry ny delestazy koa ireo mponina eny an-toerana. Omaly tontolo andro, ohatra, dia sady tapaka ny jiro no nanao ny nataony ihany koa ny rano, olana izay nambaran’ny mponina fa efa mila tsy ho azo iainana intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.