Actualités

Lehilahy nisandoka ho zandary Efa nisy nahazoany 40 tapitrisa Ar ireo tsy mahalala


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Tena mirongatra ny mpisoloky eto amintsika. Samy mitady izay fomba hahazoany vola haingana avokoa izy ireny toy ity lehilahy iray tratra tany Analankininina Toamasina ity omaly.

Milaza ho zandary miasa ao amin'ny toby Ratsimandrava ny anaolahy ka adjudant chef na lieutnant no lazainy fa gradiny rehefa manambaka olona izy. Milaza ho mahatafiditra mpianatra ho zandary ihany koa ny anaolahy ka nisy efa nahazoany 1.000.000 Ar ka hatramin'ny 40.000.000 Ar ireo tsy mahalala. Marihina moa fa milaza ho tsy manana karatra maha-zandary azy ny anaolahy rehefa hanontanian'ny olona. Rehefa tratra moa izy dia nanontaniana ny tao amin'ny toby saingy tsy nisy anarany tao. Nahatrarana fanamiana zandary sandoka marobe tany amin'ity lehilahy ity.
Nangonin'i Pati
Legende :Ity ilay lehilahy sy ireo fanamiana sandoka tratra tany aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT