Lehilahy iray no nosamborin’ ny Polisim-Pirenena avy ao amin’ny PMPM
Anosy ny talata 15 desambra lasa teo tao anatina toeram-pisotroana iray teny Anosipatrana. Raha araka ny fantatra dia nanolana sy namono vehivavy iray 38 taona monina eny Anosipatrana ihany ity ranamana ity. Ny alahady 06 desambra teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina no nitrangan’izany herisetra ara-nofo izany. Raha araka ny fantatra dia avy nisakafo tamina toeram-pisakafoana teny an-toerana, handeha hody ity vehivavy ity no nosintoniny. Nanao saron-tava ity lehilahy ity nandritra izany. Nentiny tamina elakelan-trano iray tsy lavitra teo ilay vehivavy ity ary dia naolany. Rehefa vitany izany asa ratsiny izany dia nodarohany ilay vehivavy ka rehefa tsy nahatsiaro tena intsony dia nariany tany anaty dabam-pako teny amin’ny manodidina ihany. Lasa nandositra ilay lehilahy taorian’izany. Tsy maty anefa ilay vehivavy . Rehefa nahatsiaro tena mantsy izy ora vitsy taorian’izay dia niezaka nanao izay hahatongavany tany an-tranony. Nentin’ny fianakaviany namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy taorian’izany. Rehefa nanontaniana izy dia lehilahy iray, monina eny an-toerana ihany no nambarany fa nanolana azy. Nametraka fitoriana teo anivon’ny PMPM Anosy ireo fianakaviana ny alatsinainy 07 desambra teo. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka nanambara ireo fianakaviana fa tonga tao an-tranony ilay lehilahy voalaza ho mpanolana io ny talata 08 desambra nanatitra vola 100.000 Ar ho fandraisana anjara amin’ny fitsaboana ilay vehivavy ary nangataka ny tsy hitondrana ny raharaha eny anivon’ny manampahefana fa hatao raharaham-pihavanana. Nanao ny asa hatrany anefa ny polisy ka omaly alakamisy 17 desambra no niakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.