Fantatra fa mpimasy ilay rangahy nanapa-doha manta ny vadiny tany amin’ny tanànan’i Doany Ambany,
ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Doany, distrikan’Andapa ny zoma 19 febroary lasa teo. Netsehan’ny fanahy ratsy izy tamin’io fotoana io raha araka ny fanazavany, antony nahavitany namono ilay andefimandriny. Nohamafisiny ihany koa fa tsy nisy fifamaliana na olana teo amin’izy mivady nandritra izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia notapahany indray mandeha monja tsy miverina tamin’ny antsy maranitra fikapana ala, ny tendam-badiny ka nipitika avy hatrany. Efa nitolo-tena tao amin’ny biraon’ny zandary tao Andapa moa ny lehilahy. Ny 23 febroary lasa teo ,no niakatra fampanoavana ny raharaha ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana ny lehilahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.