Lehilahy mpanolana

> Vao nidina ny fiara dia noraisim-potsiny


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Saron’ny polisin’Antsirabe ny talata 27 aogositra lasa teo rehefa nanaovana vela-pandrika ny raim-pianakaviana iray nanolana ny zana-badiny vao 11 taona monja. Niakatra fampanoavana ny alarobia hariva ihany ny raharaha ary voatazona am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao, niaraka tamin’ny renin’ilay zazavavy.

Raha ny fitantaran’ilay zazavavy kely dia nifanarahan’izy mivady ny fanolanana azy satria eo imason’ny reniny no hanolanan’ilay raikeliny azy, ary voalazany fa ilay reniny mihitsy no mandrisika ny hanolanana ilay zanany. Nambaran’ilay zazavavy fa nalain’izy mivady hiala sasatra tany Toamasina izy ireo ny vankasy 2012 ka rehefa tonga tany dia nolazain-dreniny fa “tian’ilay rangahy toa azy, hono, izy”. Nandà izany rakalakely ka norahonan’ny reniny. Taorian’izay dia nanomboka ny fanolanana ka raha vao mamaly rakalakely dia kapohin’ny reniny ary norahonany ho faty. Nandritra ny iray volana no niaretany izany. Nitaraina ny fijaliany tamin’ny renibeny izy ka dia nohafaran’ity farany nody ary rehefa tonga tao Antsirabe dia nanao ny fitoriana tao amin’ny mpitandro filaminana. Fa akoatra izay dia nisy rahavavin’ity reniny ity ihany koa miomana ho amin’ny fanambadiana ka tratry ny am-pitaka fa nolazain’ilay rangahy fa homeny fanampiana mialoha ny mariazy dia nohafarany haka izany tany Toamasina kanjo naolany niaraka tamina olona efa-dahy hafa nony tonga tany ka nony tafaverina teto Antsirabe dia nametraka fitoriana avy hatrany ity voaolana ity.

Hevi-petsin’ny renibeny moa no nahasamborana azy mivady ireto satria nitaraina ho marary ramatoa be ka nanafatra azy ireo ho tonga ao Antsirabe ka dia noraisim-potsiny teny ambony fiara vao nigadona. Mbola be vava ihany moa ity rangahy ity ka nilaza tamin’ireo mpitory azy fa iray volana ihany no hijanonany any am-ponja fa manan-kavana olona ambony ny tenany ka vidina fiara iray dia mahafaka azy. Raha ny fantatra dia maro vady ity lehilahy ity satria vehivavy miisa 4 no miara-matory aminy, hoy ilay kalakely naolany ary hatramin’ny mpiasa vavy ao aminy aza no anaovany ny filan-dratsiny ihany koa ary mifanaraka tsara avokoa ireo vehivavy rehetra miaraka aminy. Ny 11 septambra ho avy izao moa no hiroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitsara momba ity raharaha ity ary ny 19 Septembra kosa ny fitsarana ilay raharaha iray nanolanany ilay rahavavim-badiny.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT