Actualités

Lehilahy maty tao Imerintsiatosika Tonga namangy ny zandary sy ny manampahefana


  • Talata 29 Desambra 2020

Tonga nitondra ny teny fankaherezana ho an'ny fianakavian'Itompokolahy

 

 

Randrianarison Jean Paul Olivier na Liva Jacks na Livakely tao Tsarafaritra kaominina Imerintsiatosika distrika Arivonimamo ny Tompon’andraikitra sivily sy ny mpitandro filaminana omaly 28 desambra 2021 tamin'ny 09 ora maraina ireo, noho ny raharaha nampisavorovoro tao an-toerana ny 26 desambra 2020. Ity farany izay voatondro ho jiolahy, ka nosamborina ary maty avy eo, izay nifamahofaho ny filazan’ny olona sy ny mpitandro filaminana. Ny Ben'ny tanàna Imeritsiatosika no nitarika ny fotoana, notronin'ireo mpiara-miasa akaiky, toy ny Solotenam-panjakana (DAA) sy ireo Lehiben'ny mpitandro filaminana (Zandary, Tafika, Pôlisy) ary ireo Raiamandreny an-tanàna. Efa mizotra an-tsakany sy an-davany ny famotorana lalina mikasika iny savorovoro iny, hoy ny zandary. Tsara ihany anefa ny manantitra ny ireto hafatra ireto, hoy ny zandary: Tsy azo ekena ny fikomiana sy ny fanafihana Toby, na inona antony na inona; Tsy azo ekena ny fanimbàna zavatr'olona na fananam-panjakana, fa tsy maintsy ho enjehin'ny lalàna ka hanonitra izay nanimba, hoy hatrany ny zandarimarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT