Actualités

Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka “Tsy nanan-tsafidy izahay”, hoy ny zandary


  • Alarobia 18 Mey 2022

Tovolahy iray antsoina hoe Andry no namoy ny ainy vokatry ny ratra sy vono an-tsitra-po nahazo azy izay nataon'ny vahoaka maro tao amin'ny Distrikan'i Betafo.

Araka ny fanazavana navoakan’ny Groupement de la gendarmerie Vakinankaratra, very finday ity tovolahy ity ka nisy olona nahiahiany naka izany. Avy hatrany izy dia roso nikaroka ny olona noheveriny naka ny findainy tamin'ny toerana iray any Betafo ary niaraka tamin'ny vady aman-janany. Nandalo lehiben'ny fokontany sy ny kartie mobily izy mba hikaroka ny tranon'ilay antsoina hoe Bruno. Rehefa hitany ity olona naka ny findainy ity dia nentiny nanaraka azy ho eny amin'ny biraon'ny polisy. Navadiky ny fianakavian'i Bruno ho fakana an-keriny anefa izany ka nifanenjehan'ny fokonolona izy. Zandary roa lahy sendra namita iraka tsy lavitra no tonga sy niatrika izany ka niantso ''renfort" rehefa nahita fa nibosesika ny vahoaka. Tonga haingana araka izany ny fanampiny avy ao an-toerana sy Antsirabe. Niezaka ny mpitandro filaminana nandresy lahatra ireo vahoaka an -jatony, izay tsy mahalala akory ny anton-javatra ny ankamaroany, mba hampijanonana ny fikasihan-tanana sy fandatsahan'ain'olona. Efa voahodidina vahoaka an-jatony maro anefa ireo mpitandro ny filaminana ary efa nanomboka nanimba ny fiaran'ny zandary izy ireo. Novakian'izy ireo tamin'izany ny kodiarana roa. Naneho ny zandary fa niezaka niaro ain-dRatompokolahy hatrany izy ireo tamin'izany saingy nalain'ireo vahoaka feno hatezerana ankeriny tao anaty fiara izy ary efa voabahana sy tsy afaka nihetsika intsony. « Azonay mpitandro filaminana natao tokoa ny nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tananay saingy noho ny hamaroan'ny olona sy ny maha maizina ny andro izay efa tamin'ny folo ora alina, ka mba tsy hisian'ny rà mandriaka sy ny fanimbana fananana dia tsy nanam-pidiny izahay nanoloana ireo vahoaka feno hatezerana vokatry ny fanomezana vaovao tsy marina », hoy ny zandary. Niantso ny rehetra hamotopototra tsara ny mpitandro ny filaminana, ary nampahatsiahy fa fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza sy ny ny fanadihadiana hahafantarana ny marina rehetra ary tsy maintsy hisy fepetra horaisina mahakasika ny zava-misy.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT